Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fihibohana tanteraka: mampiomana ny Atitany sy ny Varotra 

Mampiomana ny minisiteran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra, sy ny asa tanana, ny amin’ny “fihibohana tanteraka” eto amin’ny faritra Analamanga, ny faran’ny herinandro ho avy izao. Tsiahivina fa tsy misy mahazo misokatra ireo fivarotana entana afa-tsy ireo tsenakely mpivarotra enta-madinika ilaina andavanandro any amin’ny fokontany. Izany anefa, hatramin’ny 1 ora tolakandro ihany.

Tsy mahazo misokatra eto ireo tsena lehibe sy ny salantsalany, toy ny Jumbo Score, ny Shoprite, ny Leader Price, ny Supermaki, ny Shop Liantsoa… Koa ny mpanjifa koa, tsara miomana amin’izany fikatonan’ny tsena izany, miampy tsy fisian’ny fitaterana ireo fa ny taxi kosa, mahazo miasa.

 

M.C

Les commentaires sont fermées.