Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Boky Tiona bagasy Henri Ratsimbazafy: miantso fifanomezan-tanana i Mbosa Rabenasolo

Boky Tiona bagasy Henri Ratsimbazafy: miantso fifanomezan-tanana i Mbosa Rabenasolo

Efa vonona ireo akora fototra maha boky ny boky. Efa afaka havoaka ny Tiona bagasy Henri Ratsimbazafy (TBG HR), raha ny fanazavan’i Mbosa Rabenasolo. Na izany aza, nisy ny antso nataony, noho ny fahasarotana amin’ny fanontana. « Tsy mora ny manonta izany eto an-tanindrazana, indrindra ny vola. Koa mitodika aminareo mpankafy sy mpanohana aty andafy izahay, manao izao antso izao: fandriho mialoha dieny izao ny TBG HR ». Nohamafisiny fa: « aoka mba ny samy Malagasy no hifanome tanana sy tantsoroka amin’ny zavatra tahaka izao. Ny vola € na $ azo avy amin’ny famandrihana hataonareo no hiantsorohana ny fanontana sy hampihena ny vidiny MGA. Sady mahazo ny TBG HR ianareo no manohana ny fanontana azy sy ny vidiny aty an-tanindrazana ». Any ho any amin’ny voalohandohan’ny volana mey no kasain’izy ireo hamoahana ity boky ity eto an-tanindrazana.

Ny momba ny TBG HR

Hira & tonony miisa 26, (2 volumes, 2×100 pejy).

Solfa sy sorapeo: Mbosa Rabenasolo, Olivier Ramorasata, Naina Andrianarivony.

Teny malagasy, frantsay, anglisy. CD feon-kira MP3. Fonony sy sary miloko.

Hira ao anatin’ny:

Volume 1: “Bobongolo ilay fitia”, “Dans ma case en falafa” (Ao an-trano falafa). “Fitiavan’ankizy”, “Fony aho”, “Hodian-tsy hita ve”, “Ianao”, “Ilay sarinao”, “Indro tazako”… “Tiana”, “Kalon’ny any Tyrol”, “Kanefa… Iarivo », « Kidaombaramita », “La chercheuse d’eau” (Ilay mpantsaka), “Lasa izahay”.

Volume 2 : « Mamy indray ny miaina », “Manimanina”, “Ny fitiavana ihany”, “Ny itiavako anao re ry Mama”, “Ny lambanao mikopakopaka”, “Prends ma main”, “Raozy maina”, “Ry Voahirana ô”, “Satria tia ahy ianao”, “Talaky mandeha”, “Ton lamba blanc”, “Vao teny antsasa-dàlany”, “Veloma… doria”.

Nanao ny:

Sasinten : Benjamina Emadisson.

Préface & Forewords: Beby Randretsa-Rabenasolo.

Fanazavana: Mbosa Rabenasolo.

 

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.