Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kolontsaina sy sehatra marolafy: nodimandry i Désiré Razafindrazaka

Kolontsaina sy sehatra marolafy: nodimandry i Désiré Razafindrazaka

Tontolo maro ny nosahaniny… Mahatsiaro fahabangana lehibe izy ireo satria nindaosin’ny fahafatesana, teo amin’ny faha-59 taony, i Désiré Razafindrazaka. Anisan’ny goavana indrindra amin’izany ny kolontsaina sy ny fandraharahana. Namorona ilay hetsika iraisam-pirenena ho fampiroboroboana ny « jazz » nampitondraina ny anarana « Festival international Madajazzcar » izy, nandia ny andiany faha-31 tamin’iny taona 2020 vao nivalona iny. Na tao anatin’ny fahasarotana tanteraka aza ny fikarakarana io andiany io, vitany niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy ny nanome fahafaham-po ny mpitia jazz. Marihina fa ankoatra ny maha mpitari-dalana tamin’ny fampivelarana ny jazz eto Madagasikara, mpitendry zavamaneno izy. Anisan’ny tena ankafiziny ny nitendry ny « contre-basse ». Teo amin’ny fikajiana sy fampahafantarana ny harem-bakoka indray, i Désiré Razafindrazaka no filoha nitarika ny « Amis du patrimoine de Madagascar ». Iray amin’ireo fikambanana nilaza ny heviny hatrany manoloana ireo zava-misy manoloana ny harem-bakoka sy haren-tsaina. Tia sy liana tamin’ny fakana saripika ihany koa i Désiré Razafindrazaka.

Ankoatra ny tontolon’ny kolontsaina, nahitana azy koa ny fandraharahana eo amin’ny serasera sy ny fitantanana tetikasa. I Désiré Razafindrazaka no mpanorina ny Cabinet Coef Ressource misahana asa samihafa. Orinasa maro, ohatra, ny nametraka fitokisana ny Coef Ressource ny amin’ny fitadiavana mpiasa hiasa ao aminy. Nivelatra izany ka tonga hatrany amin’ny fanatanterahana fanadihadiana mahakasika ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina. Marihina fa nianatra sy nandalina momba ny « psychologie sociale », tany Frantsa, izy. Nianatra koa tao amin’ny « Institut d’administration des entreprises » (IAE) tao Nancy ary nahazo ny « certificat d’aptitude à l’administration des entreprises (3e cycle) ».

Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana manontolo sy ny tontolon’ny jazz ary ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy sy ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

 

Les commentaires sont fermées.