Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – «Orange pro league»: mitarika amin’ny famonoam-baolina i Thino

Na mbola misy ambin-dalao tsy vita aza eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “Orange pro league”, efa fantatra avokoa ireo ekipa efatra hiatrika ny “Play off”: ny Five FC sy ny Cosfa, ho an’ny kaonferansy avaratra, ary ny AS Adema sy ny Ajesaia kosa, ny an’ny kaonferansy atsimo.

Hatreto, misongadina i Thino, mpilalaon’ny Zanakala FC, eo amin’ny famonoam-baolina. Izy mantsy no mitarika, hatreto, nahatafiditra baolina miisa 13. Ny Zanakala, izay laharana fahefatra ho an’ny kaonferansy atsimo. Manaraka azy i Pao, avy amin’ny FCA Ilakaka, nahatafiditra baolina sivy. Nifaninana tao amin’ny kaonferansy atsimo ihany koa izy ary eo amin’ny laharana fahadimy ny ekipany, mbola manana ambin-dalao roa. Fahatelo, eo amin’ny fampidiram-baolina, i Veve, ao amin’ny Five FC, namono baolina fito izay nilalao tao amin’ny kaonferansy avaratra. Tsiahivina fa nitana ny laharana voalohany ity ekipan’ny Five FC ity, nandritra ny fifanintsanana.

Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana mey ho avy io ny fifanintsanana ho an’ireo ekipa efatra hiatrika ny “Play-off”, amin’ity “Orange pro league” ity.

 

Tompondaka

 

Les commentaires sont fermées.