Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fitakiana ny zon’ny mpampianatra mpikaroka: “Mitarazoka ny fikirakirana ny taratasy”, hoy ny Seces foibe 

Nanao taratasy misokatra ho an’ny filoham-pirenena sy ny praiministra momba ny fizotry ny taratasy mahakasika ny zony ny mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana momba ny siansa (Seces). Mahatsapa izy ireo, araka ny taratasy, fa mitarazoka ny fikirakiran’ny fitondrana ny “dérogation de maintien en activité à titre exceptionnel” izay efa tonga teny anivon’ny Fiadidiana ny primatiora ny volana novambra taona 2020. Efa naverina teny anivon’ny “collège des enseignants” na ny “collège de chercheurs” ny antontan-taratasy rehetra mangataka ny “derogation spéciale de maintien en activité” hiverenana hodinihina araka ny mason-tsivana napetraka ary tokony hankatoavin’ny minisitra mpiahy, araka ny toromariky ny praiminisitra. Narahin’ny mpikambana ao amin’ny Seces izany ka miandry ny fandraisana andraikitry ny fitondrana izy ireo, amin’izao fotoana izao.

Ankoatra izay, lasa mandalo anatin’ny filankevitry ny ministra amin’izao fotoana izao ny fanaovana “reclassement” ho an’ny mpampianatra mpikaroka nefa ny mpiasam-panjakana hafa, tsy iharan’izay. “Fanaovana tombo sy hala amin’ny samy mpiasam-panjakana izany”, hoy ny fanehoan-kevitra. Mety handray fanapahan-kevitra ny Seces raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana avy amin’ny fanjakana manoloana ireo fitakiana ny zony ireo, araka ny taratasy nosoniavin’ny filohan’ny Seces nasionaly, Randriamialonoro Faliarivony, ny faran’ny herinandro teo.

Vonjy A.              

Les commentaires sont fermées.