Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

EST: mitohy ny tohana ho an’ny fanatanjahantena

Manohy hatrany ny fitetezana iny faritra Atsimo Andrefan’ny Nosy iny ny filohan’ny fikambanana EST (Espoirs sportifs de Tuléar), i Vital Serge. Fanohanana ho an’ny fanatanjahantena sy ny sosialy ny tena imasoana, hitondrana fanampiana ho an’ireo klioba. Asa isan’ny nifampidinihana ny herinandto lasa teo ny fiaraha-miasa amin’ny Andrarangy ao Vangaindrano amin’ny fampitaovana sy ny fananganana kianja basikety any an-toerana. Teo ihany koa ny famatsiana fitaovana ny trano fikotranana Fivato. Ankoatra izay, tetikasa goavana hanatsarana ny lentan’ny atleta ao Toliara ny fanomezana fampiofanana ho an’ny mpanazatra sy ny mpitsara, mpitantana klioba sy ny maro.

Mitohy hatrany, etsy ankilany, ny fitetezana ireo klioba rehetra ao Toliara sy ny fanomezana tosika ho azy ireo. Fanamby lehibe ihany koa, hoy hatrany ny fanazavana, ny hanome fiofanana ho an’ny mpanao fanatanjahantena mendrika ao Toliara ka hisy fanafarana manampahaizana iraisam-pirenena amin’izany, na alefa any ivelany mihitsy ireo atleta malagasy. Eo amin’ny lafiny sosialy kosa, nahafantarana ny fikambanana Espoirs sportifs ny fametrahana japy fakana rano madio fisotro ary mbola mitohy izany hetsika izany amin’izao. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana sy klioba hafa, toy ny Talio sy ny CosTM, amin’izao hetsika izao.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.