Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Zarazarao samy hanana

Sentosento sisa ny an’ireo havana sy naman’ilay mpanakanto voafonja izay tsy nahazo famoahana vonjy maika eo am-piandrasana ny didy fitsarana momban’ilay fanenjehana eloka fanalam-baraka iapangana azy. Na voarara aza no mitsara didi-pitsarana, zo an’izay tsy mankatoa an’izany ny fanehona ny alahelony vokatry ny  fanapahan’ny mpitsara. Any anivon’ny fiarahamonina mitsitokotoko isa-paritra eny amin’ny tanàna dia tsy ilaozan’ny resaka ifanaovan’ny mponina manodidina ny didy noraisin’ny fitsarana mikasika raharaha mikasika akaiky azy ireo tsirairay, ary eo amin’ny ankapoben’ny fiarahamonina eto amin’ny firenena dia miparitaka ny akon’ny hevitra mifono fitsarana ny Fitsarana. Azo deraina ireo tsy mirona any amin’ny fanakorontanana na any amin’ny fanaovana herisetra, na efa kely aza ny fahatokisana tavela ankinina amin’ny Fitsarana. Tsy hay raràna na ho melohana kosa ny fanehoana alahelo sy hatezerana avy amin’ireo mihevitra azy voafitaky ny rariny.
Ilay raharaha nampidirana am-ponja an’ilay mpanakanto moa nampisahotakotaka sain’ny maro ary nahavelon-tsento olona betsaka raha nitohy ny fitazonana any an-tranomaizina an’ilay voapanga. Be moa ny mpandotso, nefa azo eritreretina ho diso làlana ihany ny fanararaotana an’izany fisehon-draharaha izany raha mijanona eo amin’ny fizakan’io olona irery io ny fitsikerana ny fomba samy hafa izay entina anaovana famoretana tsy an-drariny. Dia ny maha olona malaza azy ve dia ampy anaovana rariny ny fampandotsona ampientanentana ny mponina, ao Antanimora, aman-jatony ireo olona efa miandry amam-bolana tsy vitan’ny hoe fitsarana azy fa na ny fanadihadina lalina ny anton’ny fiapangana azy aza dia mbola tsy misy tokotaniny. Raha ny fisarihana ny sain’ny mponina andinika ny fikatson’ny Fitsarana sy ny fivilavilan’ny rariny no tanjona eo amin’ny fanararaotana ny tranga midona amina olona manana ny lazany, dia arahaba soa. Maro ireo mizaka anjara mahery setra mendrika sentosento sy fitserana, na atao aza fa any amponja dia mety ho maro noho ireo voapanga tsy an-drariny ho nangala-paiso na nangalatra akoho ireo tena nahavita asa maha meloka. Ny lalàna velona manambara mazava  fa alohan’ny famoahana ny didi-pitsarana izay mety ilaza ny fahamelohana dia miaro ny olona tsirairay voapanga ny fiheverana azy ho madio tsy nanefa an’ilay eloka na inona na inona vesatry ny ahiahy nohon’ny fijorona vavolombelona sy fandrosona porofo. Manana ny lanjany izany fa tsy mahefa raha tsy voalanjalanjan’ny mpitsara ho anisan’ny antony ho fototry ny didy apetrany.


Léo Raz  

Les commentaires sont fermées.