Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

FAKAFAKA: satria ve poritra dia…

Ao anatin’ny vanim-potoana sarotra izao tontolo izao. Noho ireo kapoka mandrivorivo mahazo ny firenena tsirairay, samy mitodika sy miantsampy any amin’izay heveriny fa hahavonjy azy izy ireo. Ho an’ny Malagasy manokana, nanjary nahazo vahana eny an’ivon’ny fiarahamonina ny fampiasana raokandro raha notebahina tamin’ny “mikiky”, “ody gasy”, “Dadarabe”, sns, izy ireny teo aloha. Efa tsara ny dingana vita satria tsy nirehareha tamin-javatry ny hafa intsony Ramalagasy fa efa mahafantatra ny hasarobidin’ny momba azy.

… Saingy na izany aza, tazana ihany ilay hoe: “vokatry ny fahaporetana sy tahotra ange  no nahatonga ny Malagasy hitodi-doha any amin’ny raokandro e!”. Raha tsy eo izany io tahotra sy fahaporetana io, dia ahoana? Hohadinoina indray ve ny fisian’ireny raokandro ireny? Hosoketaina indray ve ireo “mpanao fanafody gasy”?

Fotoana itodihana any amin’ny maha izy ny tena izao. Mila miverina amin’ny maha izy azy ny Malagasy. Tsy azo tsinontsinoavina ho zava-mandalo ihany izao mitranga ankehitriny izao fa tokony hametrahana lalindalina kokoa indray ny fototra maha Malagasy, raha hain’ny tsirairay ny manararaotra izany.

Raha tsy iainana anefa ny fiverenana ifotony, tsy azo antenaina ny hahitana vokatra tsara. Raha tsy misy afa-tsy  ny fahaporetana sy ny tahotra ihany no manery ny Malagasy hahalala ny taniny sy ny raokandrony, azo antoka fa tsy ho lasa lavitra i Madagasikara.

… Sady mila iainana no mila trandrahina (fantarina sy hampahafantarina) ireo maha Malagasy ny Malagasy. Fa raha tsy izany no tanteraka, vonjy poritra sy kisarintsarin-javatra ihany no hanjaka eto!

HaRy Razafindrakoto

Les commentaires sont fermées.