Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vono olona sa namono tena ? vehivavy iray hita faty natsingevan’ny rano

Vehivavy iray 31 taona no hita faty natsingevan’ny ranon’Ikopa teny Ambohimanatrika, ny asabotsy maraina teo tokony ho tamin’ ny 09 ora. Nivoaka ra ny sofina ary nihohoka tamin’ny rano izy tamin’ny fotoana nahitana azy. Tonga nampiakatra ny nampiakatra ny vata-mangatsiaka ny avy amin’ny sampana mpamonjy voina. Hita tamin’ny fisavana azy fa mbola tao am-paosiny ny kara-panondrony sy ny findainy. Raha ny hita tamin’ny kara-panondrony, monina eny Ankadindramamy ilay vehivavy ary vinavinaina efa ho roa andro ny efa nahafaty azy, hoy ireo nanatri-maso. « Mety sendra nivoaka alina ity vehivavy ity no nifanena tamin’ny olon-dratsy ka nisy namono », hoy izy ireo. Taorian’izay, naterina teny amin’ny HJRA ny nofo mangatsiaka. « Tonga tato aminay ny razana ny asabotsy antoandro teo. Mbola teny amin’ilay vehivavy avokoa ny akanjony ary tsy nisy fanolanana natao azy », hoy ny teo anivon’ny tranom-paty etsy amin’ny HJRA. Androany kosa no tonga haka ilay vata-mangatsiaka ny havan’ilay maty.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.