Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tselatra

 Naterina nivantana ao amin’ny village Voara Andohatapenaka ny asabotsy teo ilay « Toyota Fortuner » nahitana fatim-behivavy tao Sakaraha ny zoma teo. Nahiboka avy hatrany ireo mpandeha miisa 08 tao anatiny ka natokam-ponenana avokoa. « Hatao fitiliana ireo mpandeha. Norarahana fanafody kosa ilay fiara vao tonga tao an-toerana », hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Tsiahivina fa tratra teo amin’ny sakana ara-pahasalamana tao Sakaraha ny zoma atoandro teo ilay 4×4 taorian’ny toromarika voarain’ny zandary ao Sakaraha, avy tamin’ny CCO Toliara.

 

Les commentaires sont fermées.