Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Taratry ny lasa; Rabeantoandro Domoina: vehivavy malagasy tokana, efa tompondaka an’i Afrika, tamin’ny taranja Judo

Taratry ny lasa; Rabeantoandro Domoina: vehivavy malagasy tokana, efa tompondaka an’i Afrika, tamin’ny taranja Judo

Rabeantoandro Domoina, maro ny efa mahalala azy eo amin’ny taranja Judo, ilay vehivavy nitondra avo ny voninahi-pirenena teo amin’ity taranja ity, teto amin’ny ranomasimbe indiana sy manerana an’i Afrika ary izao tontolo izao.

Vehivavy malagasy tokana nahazo ny tompondaka an’i Afrika. Hatreto, Rabeantoandro Domoina ny vehivavy malagasy tokana mbola misalotra ny anaram-boninahitra tompondaka an’i Afrika, taranja Judo. Ny taona 1991 ny nahazoany izany ary mianadahy izy ireo, hatreto, ny manana io anaram-boninahitra, dia izy sy ny Maitre Andrianaivo Louis, izay efa zokiny tany aloha be tany. Raha tsiahivina, nanomboka ny taona 1982 ny Maitre Domoina ny niangaly ny taranja Judo, izany hoe teo amin’ny fahasivy taonany teo. Io ihany ny taranja nataony ary tsy dia nisafidy loatra ny hanao Judo izy fa teo ny fampirisihina avy amin’ny Ray aman-dReniny. Ny klioban’ny Saint Michel ny namolavola an-dRabeantoandro Domoina ary lasa mpampianatra tao mihitsy izy taty aoriana, rehefa nitsahatra tsy nanao Judo intsony. Ny taona 1998 ny Maitre Domoina ny niato tsy nifaninana intsony, saingy tazana teo amin’ny taranja ity foana hatramin’izao. Judokas kalaza isan’ny niaraka niangaly ity taranja ity taminy, i Naina Cecilia Maréchal, Rasoanaivo Luc, Rakotomalala Jean Jacques, Said Bruno Eric, sy ny maro hafa. Nisongadina teto an-toerana sy teto amin’ny Oseana Indiana. Raha ny vokatra azony, azo lazaina ho judoka namiratra tokoa Rabeantoandro Domoina. Efa impolo izy ny tompondaka an’i Madagasikara ary voafantina ho ekipa nasionaly, nanomboka ny taona 1990. Nahazo medaly volamena izy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, ny taona 1990, izay natao teto Madagasikara sy ny taona 1993 natao tany Seychelles. Ankoatra izay, nahazo medaly alimo ihany koa tamin’ny “Jeux de la Francophonie” 1994 tany Paris. Fifaninanana iraisam-pirenena maro ny efa natrehiny, efa nisolo tena an’i Madagasikara inenina, tamin’ny “Grand Slam de Paris”, Rabeantoandro Domoina ary efa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany tany Japon, ny taona 1995 sy ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny Oniversite, tany Allemagne, ny taona 1996. Isan’ny nanamarika azy ihany koa ny niatrehany ny fiofanana tany Marseilles, ny taona 1995 sy 1996. Manana ny grady tepany mainty 4è Dan Kodokan moa, ny Maitre Domoina. Hamolavola ankizy ho Judokas no sady olom-pirenena manana ny maha izy azy. Tsy nipetra-potsiny, Rabeantoandro Domoina, rehefa tsy nanao Judo intsony fa nitaiza ireo ankizy sy nanangana klioba ho azy manokana. Tarigetrany, rehefa nanangana ity kliobany “Club Do Judo” ity, ny hamolavola ankizy sady judokas no olom-pirenena manana ny maha izy azy. “Do judo, win life”, io ny tarigetran’ny klioba, izay niarahan’izy sy ny anadahiny, Maitre Rabeantoandro Herombola, nanangana, nanomboka ny taona 2018. Ankizy manodidina ny 8 sy 9 taona eo no volavolain’izy ireo ary miisa 25 mianadahy ny ao anatin’ny klioba amin’izao. Misy “code moral” ny Judo manokana, izay ampianarina, azo ampiasaina amin’ny fifaninanana, na rehefa mampianatra ary indrindra amin’ny fiainana ivelan’ny judo sy ny fanatanjahantena. “la politesse-le courage-la sincérité-l’honneur-la modestie-le respect-le contrôle de soi-l’amitié”, ny hiainan’ny mpanao sport ireo rehetra ireo ny hafatry Rabeantoandro Domoina.

 

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.