Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jiolahy 17 mirahalahy tra-tehaky ny zandary

    Jiolahy 17 mirahalahy tra-tehaky ny zandary

    Manoloana ny firongatry ny asan-jiolahy toy ny fandrobana sy ny fanendahana ao Toamasina, tambajotra  roa nahitana jiolahy 17 no tra-tehaky ny zandary tao an-toerana, ny faran’ny herinandro lasa teo. Voasambotra voalohany tamin’izany ny jiolahy niisa enina tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antetezambaro. Izy ireo izay efa nikoizan’ny olona noho ny fandrobana ny volin’ny tantsaha sy ny famakiana trano ka nanaovan’ny zandary fanaraha-maso. Noraisim-potsiny tao amin’ny trano fitobiany sy fametrahany entana halatra tao  amin’ny fokontany Vohibendrana  ireo jiolahy  enin-dahy. Natao ny fisavana ka sarona tao koa ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo toy ny basy, antsy lava.  Tetsy an-kilany, tambajotran-jiolahy iray hafa koa no tra-tehaky ny zandary tao Ambalamanasy, ny alakamisy 15 avrily teo. Vehivavy iray sy lehilahy niisa 7 no nandroba mpampianatry ny oniversite hamonjy fodiana tokony ho tamin’ny sivy  ora alina. Lasibatr’ireo jiolahy tamin’izany ny finday sy ny solosaina ary nentin’ilay vehivavy nandositra avy hatrany. Tsy niandry ela, nanao fikarohana ny zandary vantany vao naharay ny fitarainan’ilay niharam-boina. Vokany, voasambotra ireo efatra mirahalahy ary tratra teny amin’izy ireo ny basy lava iray niaraka tamin’ny bala sy PA iray. Efa fantatra kosa ny toerana misy ireo jiolahy efatra hafa tafaporitsaka ka andrasana ny tohin’ny toe-draharaha.

    Sajo/Tsiferana R.

    Les commentaires sont fermées.