Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisarihana « Airtel Mandresy »: tsara vintana ny tany Fort-Dauphin nahazo fiara

Fisarihana « Airtel Mandresy »: tsara vintana ny tany Fort-Dauphin nahazo fiara

Ny faran’ny herinandro teo, natao ny fisarihana fahatelo ny “Airtel Mandresy” teny amin’ny foibeny Alarobia. Ireo mpivarotra « puce » Airtel   manerana ny Nosy no mahazo mandray anjara amin’ity lalao ity, ho an’ny faritra Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Toliara, Antsiranana, ary Antananarivo. Loka lehibe nozaraina amin’izany môto scooter sy fiara Renault …, miampy ireo loka maro hafa, toy ny fahitalavitra.

Koa  azo lazaina fa tsara vintana ny tany amin’ny faritra atsimo tamin’ny fisarihana farany teo. Tany Ambovombe Androy, nisy nahazo moto scooter , ary tany Fort-Dauphin ny nahazo an’ilay loka  lehibe fiara Renault ….  Nisy nahazo moto koa tany Ambondromamy, faritanin’i Mahajanga.  Lalàn’ny varotra izao, lalàn’ny fifaninanana koa.

Tanjona amin’ity lalao ity ny hanaparitaka hatrany ny tambajotra Airtel manerana ny Nosy, hitomboan’ny olona mampiasa azy. Misy lafiny maro ny amin’ny fampandrosoana ny toekarena, indrindra ny any amin’ny kaominina ambanivohitra, ny tombontsoa azo. Afaka mifandray ireo mpandraharaha anatin’ny fotoana fohy, miainga avy amin’izay fifandraisana izay ny hamaritana fotoana, hifanaovan’ireo mpanangom-bokatra sy ny mpamboly amin’ny alalan’ny finday.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.