Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fakana an-keriny: raim-pianakaviana iray maty tamin’ny fomba feno habibiana

Taorian’ny fakana an-keriny ilay raim-pianakaviana, ny alakamisy teo, fantatra  fa maty novonoin’ireo jiolahy efa-dahy nitondra azy niala tao Andranomaitso, fokontany Mitsinjo, ny harivan’ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 05 ora izy. Nitady ilay raim-pianakaviana ireo olon-dratsy, namaly sy niangavy ireto farany anefa ny ramatoa vadin-dralehilahy mba tsy hitondran’izy ireo azy. Nitifitra avy hatrany anefa ireo olon-dratsy. Maty tsy tra-drano tamin’izany ilay ramatoa, raha nentin’ireo olon-dratsy ny raim-pianakaviana. Nitaky 70 Tapitrisa Ar ireo olon-dratsy ho famotsorana azy. Nangataka mba ho 40 Tapitrisa Ar ny fianakaviany, saingy  tsy nanaiky ireo jiolahy.  Ny zoma lasa teo, saron’ny  zandary sy ny fokonolona tao Anosikely, kaominina Andranomiady, distrikan’i Anjozorobe ireo olon-dratsy. Nandritra izay, avotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny azy i Josoa. Nentina mpiandry omby nitsoaka ralehilahy ka namonjy an’Andranomaitso, toerana misy azy. Noho ny tahotra an’ireo olon-dratsy, tsy namonjy ny fodiany indray ilay raim-pianakaviana. Saingy nifanena tamin’ireo jiolahy mpaka  ka voatifitra sy maty tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka.

Henintsoa Hani

Les commentaires sont fermées.