Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Haparitaka amin’ny hopitaly – CTC: nahazo fitaovana iadiana amin’ny Covid-19

Nahazo fitaovana hiadiana amin’ny fihanaky ny Covid-19 avy amin’ny Fi­renena mikambana, ny OMS, ny Unicef, ny Fnuap, ny OIT, ary ny Pnud, monina sy miasa eto Madagasikara. Ha­paritaka avy hatrany eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny hopitaly, ny CTC-19 sy ireo ivontoerana manokana hanamorana ny fandraisana an-tanana ireo olona mi­tondra ny tsimokaretina. Ha­hazo anjara amin’izao tolo-tanana izao koa ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mararin’ny Covid-19. No­raisin’ny minisitry ny Faha­sa­lamana, ny profesora Rakotovao Jean Louis, teny amin’ny foibe misy ny Fi­renena mikambana eny amin’ny Galaxy Andraharo iza­ny. Tonga ara-potoana ny fi­taovana sy ny fanafody hoentina miatrika ny valanaretina Coronavirus satria miakatra ny tranga vaovao voatily.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.