Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fanoloana ny mpanazatra ny Barea: nandiso ny vaovao momba an’i Dupuis ny minisitra Tinoka R.

Fanoloana ny mpanazatra ny Barea: nandiso ny vaovao momba an’i Dupuis ny minisitra Tinoka R.

Nandiso ny vaovao niely. Nitondra fanazavana manoloana ny tsaho sy ny resabe amin’ny hanoloana ny mpanazatra ny Barea, i Nicolas Dupuis, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Tinoka Roberto. Henti­tra ny valin-teniny raha na­nontaniana momba izany: “tsy mbola nisy fotoana nilazako na nanehoako hevitra mahakasika ny asa amin’ny maha mpanazatra ny Barea an’i Nicolas Dupuis”, hoy izy. Nanteriny fa hany tompon’ny teny farany sady afa­ka mandray fanapahan-kevitra momba izany ny eo anivon’ny federasion’ny baolina kitra (FMF). “Tsy afaka manapa-kevitra momba izany ny eo anivon’ny minisitera ary tsy hiditra amin’izany mihitsy », hoy ihany izy.

Hosoloina mpanazatra teratany frantsay ihany

Tsiahivina fa anisan’ny resabe tato ho ato, indrindra tany anaty tambajotran-tserasera, ny amin’ny hanoloana ny mpanazatra ny Barea, i Nicolas Dupuis. Efa tonga amin’ny fanononana anarana mpanazatra teratany frantsay ihany koa izany ary efa ni­tantana ekipam-pirenena va­venty sy anisan’ny lohany aty Afrika. Anton’izany ny tsy nandingan’ny Barea amin’ny “Can” noho ny fihintsanana nanoloana ireo lalao farany natao teo.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.