Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Covid-19 : 832 ny tranga vaovao, efatra namoy ny ainy

Tamin’ireo olona 1 907 nanaovana fitiliana, nahatratra 832 ny tranga vaovao, araka ny antontanisan’ny 15 avrily, nivoaka omaly. Teto Analamanga ny 701 amin’ireo, Atsinanana nisy 11, i Diana, nisy 10, Alaotra Mangoro ny 20, i Matsiatra Ambony ny dimy, i Boeny ny iray, i Sava ny 15, Atsimo Andrefana ny 19, i Menabe ny dimy, Amoron’i Mania ny 22, i Bongolava ny telo, Ana­lanjirofo ny efatra, Anosy ny 15, Ihorombe ny roa, Itasy ny iray ary i Sofia ny iray. Nahatratra 300 ireo sitrana.
5 309 ireo manaraka fitsaboana ka tranga misy fahasarotana ny 294 amin’ireo. Efatra ny namoy ny ainy ka samy nahitana iray avy eto Analamanga, i Diana, Atsi­mo Andrefana ary Bongo­lava.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.