Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Vovonan’ny sekoly tsy miankina: “Hanokatra ny sekoly amin’ny 19 avrily” 

Vovonan’ny sekoly tsy miankina: “Hanokatra ny sekoly amin’ny 19 avrily” 

Manaiky ny lamina apetraka ny sekoly tsy miankina satria aina no tandrovina nefa raha hanakatona varavaran-tsekoly, manokatra varavarana ho an’ny zavatra hafa…

Nanambara ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina manerana ny Nosy ahitana ny sekolim-pinoana sy ireo laika fa « hanokatra ny sekoly izy ireo manomboka amin’ny alatsinainy 19 avrily ary vonona ny hampihatra ny fepetra ara-pahasalamana rehetra tsy hiparitahan’ny valanaretina Covid-19 », hoy ny filohany, Rakotomalala Célin, omaly. Hanaraka ny fepetra ny sekoly tsirairay fa mangataka fanampiana avy amin’ny fanjakana amin’ny fanatanterahana izany. Anisan’izany ny fandrarahana ranom-panafody mamono otrikaretina amin’ny efitrano sy ny tokotany rehetra, tokony hatao isan-kerinandro. Efa nanao fangatahana teny anivon’ny minisiteran’ny Rano ny mpitantana ny Vovonana amin’ny tohana fa tsy mbola nahazo valiny, hatramin’izao.

 

Naka fampiharana tany an-dakilasy

Ho an’ny sekoly tsy miankina maro, nitazona ny fidirana ny alatsinainy lasa teo ihany izy ireo fa nanome fampiharana entimody fotsiny dia samy nody ny rehetra. Mizotra tsara ny fanatanterahana ny fandaharam-pianarana satria ny roa ampahatelon’ny zavatra tokony hatao, tontosa avokoa, hoy ny fanazavany. Fanamasahana ny fahalalana efa azo sy famaranana ny ampahany kely sisa no miandry ho an’ny telovolana fahatelo farany.

Anisan’ny nanamafy ny hevitry ny filohan’ny Vovonana momba ny tokony hirosoana amin’ny telovolana fahatelo, ny 19 avrily izao ny sekoly katolika, tamin’ny alalan’ny mpitantana voalohany ny fampianarana katolika manerana ny Nosy (Dinec), mompera Ranaivoson Jules.

Vonjy A.

Les commentaires sont fermées.