Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Kitra – Orange Pro league: nomontsanin’ny Uscafoot 2 no ho 0 ny 3FB Toliara

Kitra – Orange Pro league: nomontsanin’ny Uscafoot 2 no ho 0 ny 3FB Toliara

Mitohy hatrany ny tsy fahombiazana ho an’ny ekipan’ny 3FB Toliara, ao anatin’ny fifaninanana Orange Pro league, taranja baolina kitra. Nomontsanin’ny Uscafoot tamin’ny isa 2 no ho 0 indray izy ireo, omaly, tao Fianarantsoa. Ity lalao nifanandrinan’ny Uscafoot sy 3FB ity ny namarana ny andro faha-12 amin’ny fifaninanana Orange Pro league ho an’ny kaonferansa Atsimo. Tsy mbola nahita hatramin’ny farany ny ekipan’i Toliara ka isa 0 ny azony, izay mametraka azy ho amin’ny laharana farany ao anatin’ny vondrona misy azy. Etsy an-kilany, niakatra eo amin’ny laharana fahatelo kosa ny Uscafoot, taorian’ny fandresena 2 no ho 0 azony, omaly ity. Isa 16 ny eo am-pelatanany amin’izao fotoana izao. Tsiahivina, laharana voalohany ao amin’ity kaonferansa Atsimo ity ny As Adema, izay manana isa 25 ary faharoa kosa ny Ajesaia manana isa 23. Raha hiverenana ny lalao, omaly, nifanandrinan’ny Uscafoot sy ny 3FB, nisaraka samy tsy nisy nitoko ny roa tonta, teo am-pialantsasatra. Hita ho nitazona mafy ny ekipan’ny Uscafoot ny 3FB nandritra ny ampaham-potoana voalohany io ary azo lazaina ho nifandanja ny lalao. Tsy naharitra ela anefa izay tanjaky ny 3FB izay ka nihanahazo aina ny Uscfoot, teo am-pidirana ny ampaham-potoana faharoa. Niditra ny baolina voalohany ho an’ity ekipan’Analamanga ity, teo amin’ny minitra faha-51, tamin’ny alalan’i Blanc. Vao mainka nihalefy ny tanjaky ny 3FB, nanomboka teo ka nazava ny lalana ho an’ny Uscafoot. Tamin’ny alalan’ny “penalty” nodakan’i Blanc ihany ny nahazoan’ny Uscafoot ny isa faharoa ho azy. Tsy nisy fiovana firy ny endri-dalao, nanomboka teo, na dia niezaka nitady hirika hampidiram-baolina aza ny ekipan’i Toliara. Araka izany, nijanona tamin’io isa 2 no ho 0 io ny voka-dalao teo amin’ny roa tonta.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.