Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Basikety-U15 Skills Challenge: ny roa voalohany no tafakatra

Basikety-U15 Skills Challenge: ny roa voalohany no tafakatra

Hotontosaina ny 24 sy 25 avrily izao ny fifaninanana “FIBA U15 Skills Challenge”, taranja basikety. Isan’ny firenena afrikanina mifaninana amin’izany i Madagasikara. Efa nisy rahateo ny fifantenana mpilalao nataon’ny federasiona hangalana izay mendrika handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ny Ankoay. Raha ny fantatra, ekipa roa isaky ny vondrona ny hahazo ny tapakila hiatrehana ny dingana famaranana ho an’ny kaontinantan’i Afrika manokana. Ny fifaninanana rezionaly izay hanomboka ny 24 avrily izao ny hitsongana ireo ekipa roa avy ireo ka nozaraina vondrona telo ireo firenena mandray anjara. Ao anatin’ny vondrona A, miaraka amin’i Egypta, i Zimbamboe, i Etiopia, i Ginea ary Zambia, ny misy an’i Madagasikara, eo amin’ny sokajy vehivavy. Vondrona B, miaraka amin’i Angola, i Uganda, i Etiopia, i Côte d’Ivoire ary Zambia, kosa ho an’ny lehilahy. Marihina, ekipa 8 ny ho tafakatra hiatrika ny dingana ho an’ny kaontinanta amerikanina, 8 ihany koa ho an’i Azia sy Océanie ary 10 ho an’i Eoropa.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.