Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Rugby- “Mondial 2023”: manazatra ny Makis ilay Frantsay, i Francis N.

Ao anatin’ny fiomanana tanteraka amin’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakila amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2023, taranja Rugby ny ekipa malagasy Makis, sokajy Seniors, lehilahy. Manome fanazaran-tena ho azy ireo amin’izany ho fanatsarana ny teknika sy haha tomombana ny traikefan’ireo mpilalao ilay mpanazatra matihanina, teratany frantsay, i Francis Ntamack. Efa nanomboka tamin’ny alarobia lasa teo ny nizara ny traikefany ity mpanazatra, mpilalao fahiny tao amin’ny ekipan’i Frantsa ity. Hampita traikefa eo hatrany ny tenany, mandra-pahatongan’ ny daty hiaingan’ny delegasiona hiatrika ny fifaninanana. Miisa 53 mirahalahy ireo hifantenana ny handrafitra ny ekipam-pirenena, ka manaraka ny fampivondronana eny amin’ny kianjan’ny Makis, amin’izao fotoana izao.

Tsiahivina fa hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2023, ny Makis latsaky ny 15 taona ny volana jolay izao. Fifaninanana hotanterahina any Namibia izany ka miray vondrona amin’ny mpampiantrano sy i Côte d’Ivoire i Ma­dagasikara. Hahazo ny tapakila hiatrika ny dingana manaraka ireo ekipa roa voalohany ao anaty vondrona, araka ny lalanan’ny fifanintsanana.

Etsy an-daniny, mitohy ny fanatsarana ny kianja ny Makis etsy Andohatapenaka ka anisan’ny tetikasa manaraka ny fametrahana “chateau d’eau” hahafahana manondraka ny kianja ho fikolokoloana azy.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.