Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Misaona tontolon’ny mozika: nodimandry i Rindra ao amin’ny Rindra Tarika

Misaona tontolon’ny mozika: nodimandry i Rindra ao amin’ny Rindra Tarika

M isaona ny tontolon’ ny zavakanto malagasy… Nodi­man­dry, omaly, zoma 9 avrily i Rindra Razakaharison, fantatry maro amin’ny hoe Rindra, namorona ny Rindra tarika. Araka ny fantatra, noho ny valanaretina coronavirus no nandavo azy. Maro ny hiran’ izy ireo toy ny “Tiako ianao” sns… Fa anisan’ny hira nahafantarana azy ny “Mitia mangina”: “ Tsy fantatrao fa teny foana hany aho, nitily sy nitsena ny alokao, ka manara-maso lava izao” izay noforoniny ( tonony sy feony) nohirain’ny tarika. Hira feno fihetseham-po sy nambabo olona maro izany, indrindra ny fananany feo miavaka sy voakaly. Tato ho ato, mitombo hatrany ireo lavon’ity valanaretina ity, na olon-tsotra, na manam-pahefana, na artista koa aleo mitandrina hatrany, indrindra ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana. Ny gazety ta­ratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana sy ny namany iray manontolo.

Narilala

Les commentaires sont fermées.