Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Barikadimy – Toamasina: raikitra indray ny fandrehetana afo nataon’ny mpianatra

Barikadimy – Toamasina: raikitra indray ny fandrehetana afo nataon’ny mpianatra

Raikitra indray ny tora-bato tao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina, oma­ly, noho ny fahadisoam-panantenana saika handray vatsim-pianarana kanjo tsy nisy izany. Raha ny loharanom-baovao, efa nisy lisitra nivoaka tamin’ny fiandohan’ny he­rinandro ary hisy am-pahana vatsim-pianarana ho an’izay efa anaty lisitra hivoaka ny zoma (omaly io) ary raisina eny amin’ny paositra be eny amin’ny araben’ny fahaleovantena. Tonga nirohotra teny an-toerana ireo mpianatra an­aty lisitra ka teo no teraka ny savorovoro teo amin’ny paositra satria nilaza ny tompon’ andraikitra iray fa mbola tsy tonga aty amin’ny paositra ny vola fa miandry ka mety amin’ ny alatsinainy indray. Nive­ri­na tany amin’ny biraon’ny fia­didian’ny filohan’ny oniversite ny mpianatra ka nilaza ny tao fa hoe efa narotsaka ao amin’ny kaontin’ny paositra ny vola. Niteraka fahasorenana tamin’ny mpianatra izany ka nampirehitra afo izy ireo tao amin’ny campus. nandritra ny fanadihadiana no nanehoan’ireo mpianatra ny fanodinkodinan’olona iray ny fa­nampiana avy amin’ny filoham-pirenena nandritra ny fisian’ny mpianatra naratra sy maty farany teo. mitentina 10 tapitrisa Ar izany, saingy nanjavona tampoka.

Sajo/Tsiferana R.

Les commentaires sont fermées.