Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Zotra ana habakabaka: miato avokoa ny sidina tsy miankina

Nitondra fanazavana ny Sampandraharaha misahana ny fitaterana sivily eto Madagasikara (ACM), mikasika ny fepetra mihatra amin’ny zotra ana habakabaka eto amintsika, araka ny toromariky ny filoham-pirenena ny 3 avrily teo. Mitsahatra avokoa ny sidina ataon’ny kaompania tsy miankina rehetra mankany ivelany. Mihantona tanteraka ny zotra ara-barotra rehetra mankany Nosy Be. Mitsahatra koa ny sidina eto an-toerana, mankany amin’ny faritra mikatona, toa an’Atsinanana, i Sava, i Boeny, i Nosy Be. Tsy maintsy atao fitiliana PCR kosa, 72 ora mialoha, ny hiaingana ny mpandeha tsirairay, miainga avy eto Antananarivo, mankany amin’ny faritra hafa tsy mikatona. Hamafisina fa mihidy tanteraka ny seranam-piaramanidina any Mahajanga sy any Nosy Be.

Mila fahazoan-dalana manokana avy any tompon’andraikitra kosa ny fitaterana marary (Evasan). Tsy maintsy manatrika eo am-piaingana avokoa ny sampandraharaha isan-tsokajiny rehetra, amin’ny fanaraha-maso ara-toekarena, ny ara-pahasalamana, ny fandriampahalemana ary ny fiantohana ny aro loza. Tsy maintsy fenoin’ny kaompania ara-dalàna ny antontan-taratasy rehetra. Mila fahazoan-dalana manokana koa ny fodiana an-tanindrazana. Mitohy ny sidina mitatitra entana eto an-toerana sy any ivelany. Eny amin’ny seranan’Ivato irery ihany ny sidina iraisam-pirenena.

Njaka A.

Les commentaires sont fermées.