Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Volley Ball: nofoanana avokoa ny fiofanana

Tsy azo ihodivirana. Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny volley ball (FMVB), hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19 sy ho fanajana ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fanjakana. Nofoanana avokoa aloha mandra-pilamin’ny toe-draharaha ny fiofanana nokasaina hatao nanomboka tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny fiofanana ho an’ny mpilalao latsaky ny 18 taona lahy sy vavy. Toraka izany koa ireo fiofanana hatao any amin’ireo faritra voakasiky ny fikatonana, toy ny any Toamasina. Tsy azo tanterahina ihany koa ilay fiofanana kasaina hatao any amin’ny ligin’Atsinanana, ny volana mey ho avy izao, sy ny fiofanana ho an’ny mpitsara ary ireo mpilalao “haut niveau” latsaky ny 23 taona lahy sy vavy. Fiofanana samy nokasaina hatao any Toamasina avokoa ireo.

Tsiahivina fa efa miisa telo ny fiofanana vita hatramin’ny fiantombohan’ny taom-pikatrohana, ary natao tany Antsirabe sy teto Analamanga. Eo amin’ny lafiny fifaninanana kosa, tsy mbola misy fanambarana manokana nataon’ny FMVB. Anisan’ny mbola miandry izao ny “Circuit 2” sy ny “Circuit 3”, amin’ny fifaninanam-pirenena “Beach Volley”. Andrasana ny hahatanterahany na tsia.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.