Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tranombokim-pirenena: nitondra ny “Aboada” ry Di’Art Tsifoina sy i Tambezo

Tranombokim-pirenena: nitondra ny “Aboada” ry Di’Art Tsifoina sy i Tambezo

Dila ny volana marsa, nifarana ihany koa ny fankalazana ny volan’ny poezia ho an’ny mpanao zavakanto vita amin’ny teny. Anisan’ny namaramparana izany tamin’ny seho “Aboada” koa ry Di’Art Tsifoina sy i Tambezo. Fahombiazana ny seho “Aboada”… Mbola tafiditra tao anaty herinandron’ny Andro maneran-tany ho an’ny poezia ny volana marsa teo iny, ho an’ny mpanao zavakanto, indrindra ny mpiangaly ny haisoatra. Nitondra ny “Aboada” tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara, tao amin’ny efitrano Dox, ao Anosy, nanomboka tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ry Di’Art Tsifoina sy i Tambezo. “Avy amin’ny matoateny atao, fototeny boada ny teny hoe, “aboada”, izany hoe, fanaovana teny miboredika sy misafotofoto tsy hita lany… izahay no hiteny amin’ny teny tsy fantatra amin’io, hanazava ny zava-misy rehetra”, hoy i Di’Art Tsifoina.

Nitondra fisaorana ho an’ny rehetra ny tovovavy tao anatin’izany, ho an’ireo nahandro nahamasaka sy nitoto nahafotsy iny antsa tononkalo iny. Tao anatin’izany ny minisiteran’ny Kolontsaina, ny mpanao gazety, ny mpiara-namelona teny an-tsehatra, ny Fanilo Dio Tana. Niavaka ity seho ity, indrindra ny teo amin’ny endri-tsehatra nandravahana ny lampihazo, satria nofonosina gazety avokoa izany. Araka izany, tena poezia ny nianohan’ny olona rehetra tao satria tena famoronana niavaka. Ny fanehoana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny zavakanto no maha poeta na maha mpanoratra fa tsy ny fakana tahaka ny efa vitan’ny hafa, mba ho zava-baovao hatrany

Narilala

Les commentaires sont fermées.