Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tarehimarika ambony indrindra…: tao anatin’ny 24 ora, 253 ireo olona tratran’ny Covid-19

Tarehimarika ambony indrindra…: tao anatin’ny 24 ora, 253 ireo olona tratran’ny Covid-19

Niakatra be ny isan’ny olona voan’ny Covid-19  ny 6 avrily teo. Niisa 253 izany tamin’ireo fitiliana 680 natao. Teto Analamanga ny 160 amin’ireo. Any Vakinankaratra ny 20 ary any Diana ny 11. Nahitana 14 ihany koa tny Melaky.

Tafakatra 37,21% ny tahan’ireo mitondra ny tsimokaretina tamin’io fotoana io ary voaporofon’ny fitiliana raha ny tao anatin’ity andiany faharoa amin’ny valanaretina Covid-19 ity.

Nahafaty olona fito ihany koa ny Covid-19 ny  talata 6 avrily io. Sambany tsy nisy maty teto Analamanga. Roa ny maty tany Diana. Ankoatra izany, ny tany Alaotra Mangoro, i Matsiatra Ambony, i Vakinankaratra, i Sava ary i Melaky.

267 ireo marary mafy, tsaboina eny amin’ny hopitaly. 2 707 kosa ireo marary hafa manaraka fitsaboana eny amin’ny CTC 19 Andohatapenaka, Mahamasina, Ivato… Miisa 134 ireo sitrana.

Mitotaly 66 ireo matin’ity areti-mandoza ity tao anatin’ny iray volana izao (30 marsa hatramin’ny 6 avrily). Miisa 1 861 kosa ny tranga vaovao ary 1 175 ny sitrana.

Raha tao anatin’ny herintaona kosa, efa 469 ny isan’ny olona lavon’ity aretina ity (23 marsa 2020-6 avrily 2021)

Tatiana A

 

Les commentaires sont fermées.