Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nosy Be: tratra ny sambo iray nitondra antsokosoko Kaomorianina

Nosy Be: tratra ny sambo iray nitondra antsokosoko Kaomorianina

Mitohy hatrany ny hetsika fanaraha-maso sy fiarovana sisin-tany ataon’ny “zone maritime prioritaire d’intervention Nord-Ouest” (ZMPI NW). Sambo iray saika hiditra antsokosoko tao Nosy Be no saron’ny sambo Akio mpanao fisafoana an’ny Tafika an-dranomasina, ny alin’ny alatsinainy lasa teo. Nandritra ny fisavana no nahitana mpandeha telo lahy teratany kaomorianina tao anatiny izay nilaza fa mpanjono nefa tsy manana taratasy fahazoan-dalana momba izany. Nikasa hiditra antsokosoko tao Nosy Be izy ireo ary nilaza fa hividy trondro ka hiverina hivarotra izany any Anjouan, Comores, na any Mayotte. Tsy nanana taratasy ahafantarana azy ireo kosa izy telo lahy afa-tsy ilay lehiben’izy ireo manana karatra maha mpanjono, saingy efa lany andro avy any Mayotte. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa anisan’ny mpikambana amina tambajotrana fifindra-monina antsokosoko na “reseau des clandestins” izy ireo ary manana mpiray tsikombakoma maro ao an-tanànan’i Nosy Be. Natolotra ny Zandarimaria ao Nosy Be avy hatrany izy ireo hanohizana ny famotorana momba ity raharaha ity.

 

Mpandeha 32 hafa tratra…

Nanao hetsika ny Tafika an-dranomasina ka nanetsika ny sambo Akio ao Nosy be izany hanaraha-maso hentitra ny fivezivezen’ny sambo sy ny olona, indrindra ny ao amin’ny faritra anelanelan’ny Nosy Mitsio sy ny Nosy Iranja. Nahitam-bokany ny iraka natao nanomboka ny 31 marsa 2021. Tamin’ireo sambo valo nanaovana fisavana, tsikaritra fa ny roa amin’ireo, nahitana mpandeha malagasy 32 tsy ara-dalàna. Andaniny, ny botry Inch Allah, nahatrarana olona valo tao anatiny, tsy nahazo alalana hivoaka ny faritr’i Nosy Be na nahazo alalana mitatitra olona, ny 3 avrily 2021 lasa teo. Ankilany, sambo tsy ara-dalàna iray mpanjono dingadingana na “concombre de mer” nahatrarana fitaovam-panjonona arifomba maro samihafa tahaka ny “bouteilles de plongée”. Marihina fa miara-miisalahy amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitanterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF) ny Tafika an-dranomasina amin’ny fanatanterahana izao hetsika izao ho fiadiana amin’ny fipariahan’ny valanaretina Covid-19 amin’ny alalan’ny fitaterana an-dranomasina.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.