Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hoe nisy nanafika ilay “cash point”: lasa ny 5 tapitrisa Ar, nivadika nandroba ilay mpiasana 

Hoe nisy nanafika ilay “cash point”: lasa ny 5 tapitrisa Ar, nivadika nandroba ilay mpiasana 

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito (CSP7), ny alatsinainy teo, noho ny famakiana “cash point” ny lehilahy roa voarohirohy ho tompon’antoka amin’izany. Sarin’ady anefa fa tsy nisy akory ilay fanafihana…

Naharay antso avy amina loharanom-baovao iray ny CSP7, ny zoma 2 avrily 2021 tolakandro, momba ny trangana fanafihana “cash point” iray ao 67 ha tamin’io fotoana io. Voalaza fa naratra ilay mpiasa tao amin’ity “cash point” voaroba ity. Tonga haingana teny an-toerana ny polisy, saingy efa nikatona ilay “cash point” voatafika tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo. Nanao fanadihadiana ny polisy ka nilaza ho tsy nahare na inona na inona ny olona teo amin’ny manodidina. Nohadihadiana ilay lehilahy mpiasa amin’ilay “cash point” ka nilaza fa jiolahy roa nitondra basy no nanafika sy nandratra ny tarehiny. Lasan’ireo mpanafika ny telefaonina finday misy fahana 6 hetsy Ar sy vola mitentina 5 tapitrisa Ar. Tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP7 koa ny renim-pianakaviana tompon’ilay “cash point”. Nandroso ihany ny fanadihadiana nataon’ny polisy ka fantatra fa nanao sarin’ady fotsiny ity lehilahy mpiasa tao amin’ilay “cash point” ity fa tsy nisy akory ilay fanafihana mitam-piadiana nolazainy. Niaiky izy nandritra ny famotorana nataon’ny polisy fa izy no nandratra ny tenany ary nanondro ny namany iray nametrahany ireo entana voalaza fa lasan’ny jiolahy ireo. Nosamborin’ny polisy koa ilay namany ka hita tao an-tranony nandritra ny fisavana ireo telefaonina finday sy vola mitentina 2 896 300Ar ary efa tafaverina amin’ny tompony.

Tsiferana R.

Les commentaires sont fermées.