Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fotodrafitrasa eto Antananarivo: hanatsara ny fifamoivoizana ny tetikasa lalana Rocade

Fotodrafitrasa eto Antananarivo: hanatsara ny fifamoivoizana ny tetikasa lalana Rocade

Tetikasa goavana eto Antananarivo ny Rocade, hanatsara indrindra ny fifamoivoizana manerana ny tanàna, vahaolana iray hialana amin’ny fitohanana maharitra mampikatso ny toekarena sy ny manodidina. Kely sisa dia ho vita izany lalana izany. 

“Akaiky ho vita ny tetikasa fanamboaran-dalana Rocade, efa nandrasana eto Antananarivo hatry ny ela. Hanatsara sy hanova ny fifamoivoizana eto an-dRenivohitra izany, ary tetikasa mendrika hoderaina ifandraisan’i Frantsa sy i Madagasikara”, hoy ny masoivoho frantsay, i Christophe Bouchard, nijery ny fandehan’ny asa eny Andranobevava, ny 6 avrily teo. Niaraka aminy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy (MaTP), Andrianainarivelo Hajo, ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina (UE) sy ny AFD.

8,21 km ny halavan’izany lalana izany, tohanan’ny BEI, UE ary ny AFD. Miala avy eo amin’ny Boulevard de Tokyo By Pass hatrany Andranobevava, mandalo Ambohimahitsy sy Nanisana, Ankadindramamy. Ahitana tetezana roa.Betsaka ny fanajariana natao, toy ny fanotofana tany sy fanatevenana ny lalana amin’ny tara. Vita hatrany amin’ny 92% izao ny asa, heverina hisokatra amin’ny volana jona 2021 ho avy izao, raha tsara ny toetr’andro sy ny lafiny fahasalamana.

Omena onitra ireo tompon-tany

Fantatra fa efa nahazo onitrta ny 97% amin’ireo trano tsy vita soratra ara-dalàna (615 amin’ireo olona 635). Mbola eo am-panadihadiana ny ambiny ny ao amin’ny minisitera (MaTP) sy ny Tahirimbolam-panjakana. 27 % monja amin’ireo ny tany vita soratra, misy 738 ny tompony, ny efa nahazo  onitra. Mbola eo am-panadihadiana ny vahaolana hanomezana onitra ny tompon-tany ny MaTP sy ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola.

Manohana ireo tompon-tany amina tetikasa maro ny fanamboaran-dalana Rocade. Napetraka ny “guichet unique” manampy sy manoro lalana ny tokony hatao amin’izany.

 

R.Mathieu

Les commentaires sont fermées.