Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fisolokiana avo lenta: vehivavy… mihaja namoahan’ny polisy didy fikarohana

Fisolokiana avo lenta: vehivavy… mihaja namoahan’ny polisy didy fikarohana

Mpisoloky avolenta amina resaka varotra sady mpanao taratasim-bola tsy misy antoka ity vehivavy (hita eo amin’ny sary) ity. Maro ireo olona efa tratran’ity mpisoloky gagivavy ity. Manoloana izany, namoaka filazana amin’ny alalan’ny didy fikarohana ny polisy. Nanamafy ny polisy ho an’izay mahita na mahalala ny misy azy mba hampandre avy hatrany “service central de la lute contre les faux, frauds et contrefaçons” ao amin’ny “direction de la police economique” Anosy – varavarana 120 na hiantso ny laharana telefaonina finday 034 04 790 10. Toy izao ny mombamomba azy:  Rabezanahary Noro, teraka ny 21 janvier 1971 tao Antananarivo IV. Asany: “responsable cantine”, société Festival Ambohipanja. Toeram-ponenana nisy azy farany: logement N°86 Cité Analamahitsy. Manome toky ny Polisim-pirenena fa mijanona ho tsiambaratelo ny mombamomba ny mpanome vaovao. Ny olona mandray na mampiantrano na manafina olon-dratsy dia raisina ho mpiray tsikombakomba aminy ke hohenjehina araka ny lalàna.

Tsiferana R.

Les commentaires sont fermées.