Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiaraha-miasa amin’i Rosia: hanamafy ny fifandraisana ny ambasadaoro, i Andrey Andreev

Nandray ny masoivoho vaovaon’ny Federasion’i Rosia, hiasa sy honina eto amintsika, i Andrey Andreev, ny filoha Rajoelina Andry, omaly teny Iavoloha. Nanatitra ny taratasy manendry azy amin’izany toerana sy ny andraikitra izany ny vahiny. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fiaraha-mijery ny fototry ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ankilany, nanomboka hatrany amin’ny Repoblika faharoa. Nofakafakaina manokana izany ary hohamafisina. Misandrahaka amin’ny sehatra maro izany fiaraha-miasa izany. Eo ny lafiny angovo, ny fahasalamana sy ny toekarena. Nampanantena ny vahiny fa azo antoka ny hanatrarana ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana iaraha-manana. Voaresaka koa ny ady iraisana manoloana ny valanaretina Covid-19, amin’izao fotoana izao. Amin’ny ankapobeny, miroso tanteraka ary manga ny lanitra eo amin’ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy i Madagasikara.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.