Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fantina sy fintina

Nivory nikaton-trano teny Faravohitra ny avy amin’ny mpanohitra RMDM, omaly. Nitarika izany ny filoha nasionalin’ny antoko Tim. Teo koa ireo mpanolotsain’ny Tanànan’Antananarivo. Tsy nisy nipika ny dinika. Na izany aza, tombanana fa mety ho voaresaka ny fitantanan’ny fanjakana ny ady atao amin’ny valanaretina. Eo koa ny momba ireo fepetra samihafa nambaran’ny filoham-pirenena.

 

Mitaky ny fihaonambem-pirenena handihinana ny ady amin’ny Covid-19 i Tabera Randriamanantsoa. “Manana hevitra ny firaisamonim-pirenena, ny mpikaroka, ny mpanao politika. Tokony hamondrona ireo manampahaizana fitsaboana ny fanjakana ka ao anatin’izany ireo mpitsabo nentim-paharazana”, hoy izy. Nanteriny fa efa feno ny hopitaly, maro ireo maty nefa tsy manana vahaolana matotra ny fanjakana…

 

 

 

Les commentaires sont fermées.