Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Anaran-tsy very: niaina ny dingan’ny tantara sy ny tolom-bahoaka Ramaroson Laurent

Anaran-tsy very: niaina ny dingan’ny tantara sy ny tolom-bahoaka Ramaroson Laurent

Iza izy? Teraka taoriana kelin’ny hetsi-panafahana ny tanindrazana ka nampamaivay ny fanenjehana, ny taona 1950, Ramaroson Laurent. Tao anatin’ny faramparan’ny fanjanahantany ny fahazazany raha ny fiandohan’ny fahatanorana kosa ny tamin’ny Repobolika I. Izany hoe,  Fahaleovantena an-taratasy. Tapany faharoa kosa teny amin’ny oniversite, tao anatin’ny Repobolika II (RDL). Vita fianarana fony Repoblika III. “Niaina ireo dingan’ny tantaran’i Madagasikara aho ary nandray anjara feno tamin’ireo “tolom-bahoaka” nifanesy hatramin’izay teto amin’ny firenena”, hoy izy. Anisan’ireo mpitarika teo amin’ny fikatsahana ny fanovana Ramaroson Laurent. Nohitsiny fa tsy ireo mpitolona hatrany no nitondra na nahazo fahefana fa na izy, lasa olon-kafa na nivadika tamin’ny fotokevitra niarahana nitolona.

Ankoatra izany, fikomiana anatin’ilay zanaka tantsaha teo anoloan’ny fiangaran’ny fiarahamonina ny nanosika ahy hitolona, nanomboka hatramin’ny fahakely hanovana izany, araka ny nambarany. Ny fandraisana anjara tamin’ireo hetsika rehetra nanomboka tany amin’ny taona 1971/1972 no nanefy azy. Niampy ny famolavolana tao amin’ny Fikambanana demokratikan’ny mpianatra malagasy (FDMM) niara-dia tamin’ny AKFM notarihin’ny  pasitera Andriamanjato Richard.

Sahy nametra-pialana tsy ho filoha lefitra…

Asa andavanandro ataony ny fampianarana ny taranja filozofia. Niditra teo amin’ny sehatry ny fandraharahana momba ny vatosoa koa ny tenany. Manampy izany, anisan’ny mpitarika ny “Fédération des associations des étudiants de Madagascar – FAEM” fony teny Ankatso. Efa sekretera jeneralin’ny Sendikan’ny mpampianatra (Fisema) sy ny Fedmines sy ny Conecs… Efa sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera (MKS) ny taona 1976. Efa depiote voafidy indroa miantoana teny amin’ny Firaisana V.

Nomarihiny fa voalohany nanamarika ny tantara ny nametrahany fialana amin’ny maha filoha lefitry ny Antenimierampirenena noho ny fandavana ny firaisana tsikombakomba amin’ireo noheveriny fa ratsy tamin’izany.

Momba ny fitantanana ny ady atao amin’ny Covid-19 kosa, nambarany fa tokony hosedraina mandritra ny 15 andro aloha ny rafitra raha ny ankehitriny. Hatao matotra sy hentitra ny fananganana haingana ny rafitra mpanara-maso ny fitantanana ny fampiasam-bola sy ny fitaovana. Eo koa ny fomba fiasan’ireo misehatra amin’ity ady atao ity. “Omena fahefana ampy hiasany izany rafitra izany. Foanana ny fakana tahaka befahatany ateraky ny “hambo diso toerana” nolovana tamin’ny Frantsay tia manakiana sy tia miady hevitra nefa tsy mamokatra lava”, hoy izy. Nohitsiny fa vaksiny aloha izany izao no ilaina maika ka tokony hatao haingana sy hatao ho an’ny olon-drehetra. Miara-miainga amin’io aloha, araka ny nambarany. “Aleo ho an’ireompikarama an’adin’ireo Big Farma sy ny tsenam-baksiny ny resabe”, hoy ihany izy.

Misy Malagasy mahay, afaka manafatra mpitsabo kiobanina.

Misy fanafana sy fanafody matoa mandaitra amin’ny Malagasy ilay Covid-19 raha ny finoany. Misy koa ny Malagasy afaka mitsabo izany.

Eo amin’ny lafiny politika, nitondra ny heviny amin’izao fitsanganan’ny HCC vaovao izao ny tenany. “Tokony hatao aloha ny fampifanandrifiana ny “lamina” politika niainana tato ho ato amin’ny lalàmpanorenana. Anisan’izany ny fitsinjaram-pahefana sy ny governora ohatra ahoana ?”, hoy izy. Nanteriny fa tsy mitady seza na vola ny tenany. Antso ny firotsahana eo amin’ny politika. “Velona ho an’ny hafa. Io no “mobile” fa tsy “motif”!”, hoy izy.

Nangonin’i Synèse R.

Les commentaires sont fermées.