Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

« Raharaha Ambodimita »: ankoatra ireo jiolahy roa voatifitra, vehivavy roa hafa tratra

« Raharaha Ambodimita »: ankoatra ireo jiolahy roa voatifitra, vehivavy roa hafa tratra

Hatolotra ny fampanoavana, anio, ireto jiolahy telo (ahitana vehivavy roa), naman’ireo jiolahy lavon’ny polisy teny Ambodimita, ny 1 avrily lasa teo. Maro ny fanafihana efa vitan’ireto jiolahy ireto, araka ny fanazavany tamin’ny polisy…

Azo sambo-belona tamin’io andro io ka nentina nanaovana fanadihadiana ny lehilahy iray hafa naman’ireo roa lahy maty voatifitra. Tamin’ny fakana am-bavany azy ny nanondroany ireo vehivavy roa fantatra fa mpiray tsikombakomba amin’ny fanomanana ny fanafihana ataon’ireo jiolahy ireo. Tratra ny asabotsy maraina teo ireto vehivavy ireto. Nambaran’ny polisy fa ireto vehivavy ireto no mpanafika ireo fitaovam-piadiana sy mitondra izany eny amin’ny toerana anavaon’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Niaiky ity lehilahy ity fa anisan’ireo nandray anjara tamin’io fanafihaana io, izy ireo koa ny nanao ny fanafihana nisesisesy teto an-dRenivohitra toy ny fanafihana mpivarotra kodiarana teny Ambodivona, ny volana janoary 2021 lasa teo, nahazoan’izy ireo vola 1 600 000 Ar, toy izany koa ny teny Ambodin’Isotry, ny janoary 2021, mpivarotra kafe sy mofo indray  notafihin’izy ireo ka nahazoany vola 2 tapitrisa Ar ; teny Tsaralalana, ny  janoary 2021, olona handeha handrotsaka vola any amin’ny banky ny voatafik’izy ireo ka lasa tamin’izany ny 50 tapitrisa Ar. Teo koa ny fanafihana ilay mpamongady vatomamy eny Ambodifilao, ny volana marsa teo, nahaverezana 60 tapitrisa Ar.

Jean Claude

Les commentaires sont fermées.