Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Nivantana tamin’ny Facebook: nampiantrano ny « Star Tour » ireo mpankafy

Nivantana tamin’ny Facebook: nampiantrano ny « Star Tour » ireo mpankafy

Teren’ny zava-misy ka lasa hafakely ny niainana ny « Star Tour » tamin’iny fetin’ny Paska iny. Natao nivantana tamin’ny « Facebook »  mantsy izany.

Nangadihady nanoloana ny Garan’Antsirabe nandritra ny fetin’ny Paska teo… Tsy mahazatra izany, saingy tsy maintsy niainana fanindroany izao. Tsy tena nangina kosa anefa ireo mpankafy mozika sy ny ambiansy « Star Tour » satria natao mivantana tamin’ny « Facebook » izany, ny alahady sy ny alatsinain’ny Paska. Ireo mpankafy indray, araka izany, no nampiantrano ny « Star Tour ».
Nisantatra ny andiam-pampisehoana tao amin’ny pejin’ny THB Madagascar Officiel i Tence Mena sy i Samoëla. Tsy nahasakana ny fotoana ny orana nanembantsembana fa nanatara kely fotsiny ny fanombohana. Tsy nihafihafy ireo mpanakanto teny ambony sehatra na tsy nisy mpijery nivantana aza fa niezaka nanafana ny fotoana. Nitohy tamin’ny fanatanjahantena niarahana tamin-dry Rindra Madafit kosa izany ny alatsinainy maraina, tao amin’ny pejin’ny Eau Vive Malagasy. Nofaranana tamin’ny seho nataon-dry Reko Fy & His Band sy i Johane ny alatsinainy hariva, tao amin’ny pejin’ny Chill Madagascar.
Toy ny mahazatra rehefa “Star Tour”, nisy hatrany ny fanentanana sy ny lalao, niandraiketan’i Andry Barhone. Nahatratra 95 000 ireo nanaraka mivantana ireo fotoana ireo, ary nisy 14 ireo nahazo loka. Natao indrindra mba hanentanana ny olona hijanona ao an-trano ka nanomezana azy ireo fialamboly ho setrin’izany iny “Star Tour” hafakely iny.

Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.