
Tsy azo ihodivirana. Fanapahan-kevitra hentitra ny noraisin’ny avy eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja Savate Boxe Française, taorian’ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena sy ny fihanaky ny valanaretina Covid 19. Tsy nisafidy ny hanafoana ny fifaninanana ny mpikarakara fa fanemorana izany ny tapaka, saingy hotanterahina ao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra.
Araka izany, hahemotra ny 23 hatramin’ny 25 avrily izao izany, raha toa ka nokasaina hatao ny 16 hatramin’ny 18 avrily ny fiadiana ny tompondaka an’Analamanga. Momba ny toerana hanaovana ny fifaninanana kosa, nambaran’ny tomponandraikitra fa mbola hodinihina tsara ny kianja hanatanterahana izany. Araka ny voalaza, tsy maintsy ankalamanjana ny fifaninanana rehetra ary tsy azo asiana mpijery. Mbola hampitaina manaraka ihany koa ny momba ny famerana ny isan’ny mpifaninana mba tsy hihoatra ny fetra efa voalaza. Tsy misy fiovana kosa ireo fitsipika sy ny sokajy hifaninanana efa napetraka hatrany am-boalohany.
Mi.Raz
Les commentaires sont fermées.