Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Laza avy any ampita: nisaraka tanteraka i Kim Kardhasian sy i Kanye West!

Laza avy any ampita: nisaraka tanteraka i Kim Kardhasian sy i Kanye West!

Anisan’ireo nilatsaka hofidina ho filoham-pirenena amerikanina ilay mpanao rap malaza, i Kanye West, tamin’ny taona 2020. Nanomboka teo ihany koa no tsikaritr’ireo mpanaraka ny vaovaon’ireo olo-malaza fa misy olana eo aminy sy i Kim Kardhasian, vadiny. Somary solafaka mantsy ny kabary nataon’i Kanye West tamin’izay, nanambarany fa nieritreritra ny hanala ilay zanany farany voalohany, tamin’i Kim bevohoka an’i North, ny taona 2012. “Na hisaraka amiko aza ny vadiko aorian’ity kabariko ity, niaro ny zanakay hatramin’ny farany izy izay tsy nakasitrahiko tamin’izany fotoana izany…”, hoy ny filazan’i Kanye West. Heveriny fa io teniny nilazany ny fiainany manokana io no tsy zakan’i Kim Kardhasian intsony ka nahatonga azy nametraka ny fangatahana fisarahana tamin’ny volana febroary lasa teo. Efa nisaraka tanteraka ireto olo-malaza ireto ankehitriny, na niteraka telo aza. Nakotroka ery anefa ny mariazy tamin’ny mey 2014…

Nangonin’i Zo ny Aina

Les commentaires sont fermées.