Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, fa nisy ny fifampiresahana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny fitondram-panjakana mikasika ny filana eo amin’ny oxygène entina hamonjena ireo marary mafy sy sempotra vokatry ny covid-19. Efa misy ny “oxygène liquide” 13m3 izay niainga avy any Toamasina ary antenaina ho tonga eto Antananarivo anio. Hapetraka amin’ireo toerana mandray ny marary mafy izany ary maimaimpoana. Tsiahivina fa tsy maharaka ny oxygène ary ifampitadiavana ka efa hanampy 800 tavoahangy ny fitondram-panjakana.

 

Am-perinasa isan’andro ireo toeram-pitsaboana tsy miankina amin’ny fanjakana manodidina ny 200 eto Antananarivo mandray tsy mitsahatra ireo marary marobe amin’izao fotoana. Io no fanisana nataon’ny holafitry ny mpitsabo  tao anatin’ny enim-bolana izao. Misy ny fandaminana hatao hahafahan’ireo toeram-pitsaboana miahy tena miasa amin’ny alina mandray marary tsy miato hiatrehana izao valanaretina mivaivay izao. Mitana ny anjara toerany betsaka ireo mpitsabo tsy miankina amin’ny fandraisana ny marary ary marobe ireo misafidy ny handeha dokotera mitokana fa tsy te hilahatra eny amin’ny CSBII sy hopitaly.

Les commentaires sont fermées.