Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fikarakarana ny lalaon’ny Barea sy i Niger: mpikamban’ny FMF efatra tratran’ny Covid-19

Fikarakarana ny lalaon’ny Barea sy i Niger: mpikamban’ny FMF efatra tratran’ny Covid-19

Anisan’ny foiben’ny coronavirus ny any Toamasina. Nifindran’ny valanaretina covid-19 ireo mpikambana miisa efatra eo anivon’ny Federasion’ny baolina kitra (FMF) tamin’ny fikarakarana sy fanomanana ny lalaon’ny Barea sy i Niger farany teo. Voalazan’ny loharanom-baovao fa ireo nisahana ny asa rehetra tamin’ny fampitaovana no tsy afa-bela tamin’izany. Anisan’izany ny iray niatrika sy nitarika fivoriana matetika nialoha ny lalao amin’ny fifanintsanan’ny Can iny. Tsy niatrika ary tsy tazana nijery ny fihaonan’ny Barea sy ny Mena tao amin’ny kianjan’i Barikadimy intsony izany tompon’andraikitra izany. Mbola teo avokoa sy hita tamin’ny lalao kosa anefa ireo mpiasa na mpikambana telo hafa. Samy tsy misy ahiana ny toe-pahasalaman’izy ireo na eo aza izany rehetra izany Na izany aza, mbola nisokatra ny biraon’ny FMF etsy Isoraka ny herinandro teo.

Tsiahivina fa nikatona tanteraka ny teny an-toerana tamin’ny herintaona noho ny fihanaky ny covid-19.

Synèse R.

 

Les commentaires sont fermées.