Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiba: raikitra ny “E-Sport Open III”

Fiba: raikitra ny “E-Sport Open III”

Tsy voasakan’ny valanaretina Covid 19. Taranja iray afaka mitohy sy mizotra soa aman-tsara ny “Jeu Video”, eo amin’ny taranja basikety. Hotanterahina ny 16 hatramin’ny 18 avrily izao ny fifaninanana “E-Sport Open III”, handraisan’i Madagasikara anjara. Mpilalao voafantina miisa 7 mirahalahy ny mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ity lalao ity, ahitana an-dRandrianarivelo Andraina, Ralainaivo Mamitiana, Andrianarison Rova, Randrianarivelo Nandrianina, Andrianarison Ranto, Andrianarison Francky ary Andriamandrato Riantsoa. Mpila ravinahitra 6 mirahalahy sy mpilalao avy eto an-toerana iray ireto handrafitra ny ekipa malagasy, ka ny federasiona malagasin’ny basikety ny nanao ny fifantenana azy ireo. Marihina fa lalao “Jeu vidéo” ny “Fiba E-Sport Open III”  ka mpilalao miisa 5 ny eny ambony kianja. Samy manana ny anjara toerany avy izy ireo. Misy mpilalao mpisolo toerana miisa 2 ihany koa ao anatin’ny ekipa iray. Lalao hifaninanana amin’ireo firenena afrikanina hafa, mivondrona eo anivon’ny Fiba, izy ity.

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.