Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Fahanginana hany sisa fahendrena

Aza mahavoa ny goavy manta, sao mitohana tsy fidiny. Mafy anie izany tsy afaka miteny izany nefa ny tena eo amin’ny toerana raiamandreny. Izany fahasarotana izany no manjo an’Andriamatoa Rajaonarimampianina ankehitriny. Asa na nohon’ny hadisona tetika na nohon’ny fakampanahin’ny fahajejona, fa toy ny manome basy itifirana ny tenany ny fanohizana an’ilay fanaovana Fitaom-bita amin’ny Filoha. Mafimafy ny onjan’ny fitakin’ny sokajy sasantsasany amin’ny mpiasa-panjakana, indrindra moa fa ny avy amin’ireo ao anatin’ny sehatry ny fampianarana. Izay tsy natao hatramin’izay efa-taona mahery izay ve no anomezan-toky fa ho tanterahana ao aoriana. Izany anefa ny vontoatin’ny ao anatin’ny valin’ingahy Hery Rajaonarimampianina. Tsy manao be marina akory ny fitondrana fa ny fanjakana no tsy ampy vola entina anomezana fahafam-po mikasika ny hetaheta voambara ao anatin’ny fitakin’ny mpiasa. Misy hono ny tetika voalamina ho an’ny fanatanterahana an’izany tsikelikely mandritran’ny taona ao aoriana. Nisy an’izany ka tsy navoaka hatramin’izay, efa may volo-tratra ve vao ampiresaka ! Iza moa no milaza fa na amin’iny taona ho avy iny aza dia mbola izy ihany no ho eo amin’ny toerana, fahasahina lehibe izany fisehona ho be famaritra hoatran’ny rambon’omby izany, na koa efa naman’ny fanaovana fandresen-dahatra alohan’ny fotoana fampielezan-kevitra. Efa filazana ny atao rahampitso izany, hany fitaka kely dia ny tsy fitenenana mivantana hoe ny tena no hanatanteraka an’izany, ka ny fanjakana no omena ny adidy fiantsorohana ny fanaovam-panantenana sy ny fanatanterahana. Vitsy angamba ny olona mety ho voafitak’izany fikan’ariary roa izany. Nandaitra angamba izany tany aloha tany, fa ny fiheverana ny mponina izay efa leom-boan’anana ka tsy tia hierika zava-boribory intsony dia karazana famitahan-tena ihany. Aiza kosa raha tsy efa faran’izay bado kosa dia mbola hino ihany ny fahombiazan’ny tetika efa naroso nefa tsy namokatra. Misy moa ohabolana any ivelany mampitandrina amin’ny filana fanodikodinana ny lela impito misesy alohan’ny fandraisana fitenenana, ravaka ho an’ny fomba firesahana izany ka tsy hita ho raisina ara-bakiteny, marina fonosin’izany dia ny filana ny fitsakotsakona hevitra ao an-tsaina alohan’ny fipetsopentsonana. Noho izany dia mipetraka ny fanontaniana, efa lany ve ny fanetre-tena ka mihevitra ny tena ho tsy mila an’izany fandinihana lalina ao an-tsaina izany intsony. Indraindray mety ahatonga ho donto ny diso fiheverana ny tena ho maranitra.

Léo Raz

 

Les commentaires sont fermées.