Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fepetra avy amin’ny fanjakana: tsy azo atrehina ny hetsika ara-panatanjahantena

Nilatsaka ny fepetra, manoloana ny forongatry ny covid-19. Hatao ankalamanjana avokoa ny fifaninanana eo amin’ny fanatanjahantena, araka ny kabary nataon’ny filoha Rajoelina, ny sabotsy teo. Fanamafisana ny fepetra efa noraisina, ny tena nisongadina nandritra ny lahateny, momba ny fanatanjahantena. “Tsy azo atao mihitsy ny anatrehan’ny mpijery ny fifaninanana rehetra ary tsy maintsy hatao ankalamanjana avokoa izany”, hoy izy. Mihatra ao anatin’ny 15 andro io fepetra io ary miankina amin’ny fivoarana ny toe-draharaha ara-pahasalamana, ny fiovan’izany fepetra noraisina izany. Tsy niandry ela ary nanao tohivakana ny fanehoan-kevitra sy fandraisana fanapahan-kevitra avy amin’ny mpitantana federasiona sy mpisehatra ara-panatanjahantena maro samihafa taorian’io lahateny io. Nankato sy nankasitraka izany avokoa ny ankamaroany ary nandefa fampitam-baovao avy hatrany, amin’ny fanafoanana ireo hetsika efa nokasaina hatao. Voakasik”izany fanafoanana izany avokoa, hatramin’ny fanazaran-tena iraisana sy ireo lalao na ny fifaninanana mihiboka na hatao anaty efitrano.

Mi.Raz

 

Les commentaires sont fermées.