Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Alatsinain’ny Paka tao Ambila Lemaitso: mpitsangantsangana efatra maty natelin’ny ranomasina

Alatsinain’ny Paka tao Ambila Lemaitso: mpitsangantsangana efatra maty natelin’ny ranomasina

Paka tsy ieren-doza ! Efatra mianadahy indray maty natelin’ny ranomasina ao Ambila Lemaitso, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Mbola ifampitadiavana hatry ny olona ny tovolahy iray 26 taona…

Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, fianakaviana monina eny Talatamaty ireo nandeha nanao fialan-tsasatra kely nihazo an’i Brickaville. Fantatra fa ny alahady teo izy no efa tonga tao Brickaville ary any Manambato no tena saika handehanan’izy ireo kanjo niova hevitra indray tamin’ny farany fa hihazo an’Ambila Lemaitso. Niala tao Brickaville izy ireo ka lasa tany Ambila Lemaitso. Tamin’ny omaly tolakandro, nitsangantsangana tao Ambila ireto fianakaviana ireto. Natelin’ny ranomasina tampoka anefa ny tovovavy iray 16 taona antsoina hoe Nambinina sy tovolahy iray 19 taona antsoina hoe Hanitriniaina Dinason (mpianadahy izy ireo, araka ny vaovao azo avy amin’ny zandary). Nahita izany ny tovovavy iray 17 taona antsoina hoe Hanitriniala ka lasa nitsoraka tao anaty rano nanavotra, saingy natelin’ny ranomasina. Raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo fianakaviana raha nahita izany satria nihazakazaka lasa nitsoraka nanavotra koa ny tovolahy iray 26 taona antsoina hoe Angelo. Tsy nipoitra ihany koa izy taorian’izay. Horakoraka, ranomaso ny an’ireto fianakaviana tonga hiala sasatra kely ireto manoloana ireto olona efatra indray natelin’ny ranomasina ireto.

Adiny roa taty aoriana… natsingevan’ny ranomasina ireto telo mianadahy

Raha ny fanazavan’ireo olona tompon-tany mahalala tsara ny fomba tany sy ny fady an-dranomasina, manana ny fady manokana ity ranomasin’Ambila Lemaitso ity. Misy ampahany tsy azo isasana sy handroana amin’ity ranomasina ity. Fady amin’ny ranomasina amin’iny faritra Atsinanana iny koa ny hoe rehefa nisafidy ny handeha tamina toerana iray ny mpitsangantsangana dia tokony tsy hisafidy toerana hafa. Izany hoe rehefa tany Manambato no nosafidina dia tokony tsy hiova hevitra ho any Ambila indray ny mpitsangantsangana, araka ny fanazan’ireo tompon-tany hatrany. Adiny roa taty aoriana, natsingevan’ny ranomasina ny fatin’ireo telo mianadahy raha mbola ifampitadiavana kosa i Angelo ilay tovolahy 26 taona nanavotra ireo telo mianadahy.

Sajo/J.C

Les commentaires sont fermées.