Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Tsipy kanetibe: lavon’ny Covid-19 i Dolys, filohan’ny FSBM

Tsipy kanetibe: lavon’ny Covid-19 i Dolys, filohan’ny FSBM

Misaona ny tontolon’ny tsipy kanetibe malagasy. Nindaosin’ny fahafatesana, omaly zoma antoandro, tany Antsirabe, Randria­marohaja Dolys, filohan’ny Federation sport boule malagasy (FSBM).

Hatairana ny nandraisan’ny rehetra ny vaovao satria mbola nifampiresaka tsara tamin’ireo mpikambana izy ny fiandohan’ny herinandro mikasika ny hanatontosana ny fifidianana. Araka ny vaovao voaray, tratry ny aretina Covid-19 izy ary nitarika ny fahafatesany izany.
Raha tsiahivina, mpilalao tsipy kanetibe nanana ny lazany i Dolys satria efa tompondakan’i Madagasikara ny taona 2003 sy ny 2009. Tompondaka lefitra eran-tany, natao tany Izmir, Torkia, ny taona 2010 ary efa tompondakan’i Afrika ny taona 2009. Efa intelo nahazo ny amboaran’i Madagasikara, ny tamin’ny taona 1996, ny 2003 ary ny tamin’ny 2007.
Noho ny fahaizany, natao ho mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy, sokajy lehilahy, ny taona 2016, ka nandrombaka ny anaram-boninahitra eran-tany. Nahazo ny ho tompondakan’i Afrika ihany koa ny taona 2018. Ny 6 marsa 2019, notendren’ny federasiona iraisam-pirenena ho filohan’ny FSBM.
Izahay eto amin’ny gazety Taratra dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny tsipy kanetibe malagasy.

Tompondaka

Les commentaires sont fermées.