Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Lokanga sy Valiha: Mahavalaka… mahavalalanina

Zavon-tany, ary tena miraradraraka tsy misy ohatra izany ny fanon­taniana mipetraka, ma­noloana ny toe-java-misy ankehitriny, eto amin’ny firenena. «Ilai­na sa tsia ny fiverenana amin’ny fihibohana ?». «Tokony hanao vaksiny sa tsia ?». «Mahavita azy ve ny CVO sy ny CVO plus ?». «Tokony hozaraina maimaimpoana sa hialam-bola ?». «Rehefa hoatra ny ahoana ny tokony haiditra hopitaly, ary rehefa maninona no hotazonina any an-trano, na halefa eny amin’ny CSB ?». “Fa rehefa iza ny mahazo alalana hitsabo tena any ivelany, ary iza ny tsaboina eto an-toerana ihany ?”. «Iza avy ny tokony hahazo ireo karazan-tohana sy karazam-batsy (Tosika fameno, Vatsy sy Kaly tsinjo?». “Ireo sahirana fivelomana, ny eny ambany tanàna ihany ve no to­kony hahazo fanampiana?”. “Samy sahirana, miara-mizaka ny mafy izao ihany ka ahoana izany ireo saragan’olona antonontonony, ireo mpiasam-panjakana, ireo miasa tena…?”. Sns.
Izany sy ny hafa tsy voatanisa ny mandrakotra sy hita any anatin’ireny tambajotran-tserasera ireny, na koa eny an-dalambe na eny anivon’ny fiarahamonina eny. Eny fa ny mpianakavy, ny mpivady, ny ankizy aza, samy manana ny heviny. Lasa mpandinika fiarahamonina, mpanao famakafakana avokoa ny olon-drehetra, amin’izao fotoana izao, ka samy milaza izay ao am-pony, samy mamosaposaka izay ma­harary azy, na koa izay mahametimety azy. Manao basy atifi-kavana ka tsy mifampitsitsy fitenenana. Misy ireo tsy mahazaka ka hita ho miefonefon’ny hatezerana mila harary fo mihitsy. Ny raharaha aza, tonga hatramin’ny teny tsy voahevitra, teny tafahoatra… Mifampihantsy sy mifanompa mihitsy aza in­draindray ka tsy ny hevitra intsony no miady fa ny olona mihitsy no lasa mpifahavalo, mpifanandrina. Tsy mahagaga iza­ny, rey olona! Tsy ny hevitra tsy mitovy intsony no mampizarazara sy mampifandrafy fa… Fan­tatrareo na tsy ambara aza. Kanefa aleo aposaka ihany satria efa tsy takona afenina intsony izy ity. Ny politika, na ny marimarina kokoa, ny firehana politika no Rangory fototry ny afo. Dia mifampila vaniny sy mifandrangitra tsy misy farany eo. “Ny mpanejika “toujours” afara !”. Tsy fantatra, tsy hay intsony anefa; iza ny mpanejika, iza ny ao afara ? Manahirana, ary tena… mahalatsaka, mahatsikaiky indraindray ny mahita na mandre ireo fifandonana… fifandonan-kevitra samihafa.
Manezaka ihany ireo mijoro na ireo mitonona ho mpanelanelana fa e! e! Tsy mahovoka manoloana ireo “mpisolelaka” efa tsy azo hontsonina na hozongozonina intsony amin’ny heviny. Miala maina manoloana ny di-dohan’ireo “fanatika” ka na efa lavaka mangitsokitsoka, fotaka maimbo sy mandrefo izao aza eo anoloana… Rehefa izay, dia izay! “Izahay angaha tongobolo ka hotampenam-bava ?”. Aleo aloha hazava sy hapetraka tsara fa samy ahitana ireo lazaina etsy ambony hoe “mpisolelaka” sy “fanatika” na ny andaniny na ny ankilany.
Tena nahita raharaha tamin’ity politika politika ity tokoa isika, rey olona. Hita miharihary izao, ary tsy azo lavina, fa mamotika sy manimba ny fiarahamonina tokoa ny politika raha izao ny fandehany. Mandrava ny fihavanana sy ilay ventimbentesina lava hoe “soatoavina malagasy”. Mamotika, eny, fa na ny mpihavana sy ny mpianakavy izao aza, ka tonga amin’ilay hoe “tsy mifandevi-draha maty”. Loza! Raha afaka mandre sy mahita izany angamba ireo razana sy olon-kendry, ny Ntaolo mpandala ny fihavanana sy ny fiarahamonina fahiny any ambany rangolahy any… Efa nitsangana sy niteny; fa inona loatra ity manjo anareo rey olona?
Aleo anefa hazava… indray fa tsy ny politika velively no ratsy. Tsia! Tsy hamahavaha ny ni­havian’io teny io eto isika fa raha hambara tsotra, “tetika na fomba handaminana ny tanàna, hampirindrana ny fiarahamonina ny politika”. Izay ny tena heviny. Saingy, in­drisy… Efa mivaona izay tsy izy amin’izany ny fandikana sy fandraisan’ny maro azy amin’izao va­nim-potoana ankehitriny izao. Teraka taty aoriana ny antsoina hoe “politika politisianina”. Zary lasa ataon’ny mpanao politika fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena manokana izao ny politika. Fita­diavam-boninahitra, ahazoana mijanona maharitra eo amin’ny fahefana ananany. Raharahan’ny “mpiakamakama” hanaovana kolikoly sy “bizina” na hanaovana “tantely afa-drakotra ny harem-pirenena”… Izany, izany izao ny atao hoe politika. Dia ahoana izany? Inona ny hatao ? Hatramin’ny rahoviana no hiainana izany? Iza ny tompon’andraikitra? Fahadisoan’
iza ? … Dia mbola fanontaniana tahaka ny tery am-boalohany ihany ny hamaranana ity lahatsoratra ity. Teny atsipy ho an’ny manam-panahy e! Raisin’ny mpahalala,… raha mbola misy ihany.

Mamy Randrian

Les commentaires sont fermées.