Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Indray mijery

Mitohy ny ezaka famendrahana ranom-panafody mamono otrik’aretina sy fizarana « gel désinfectant » ho an’ireo mpitatitra fiarakaretsaka eny Antsonjombe, ifarimbonan’ireo sampandraharaha maro ao amin’ny CUA, ho fiarovana ny fahasalaman’ireo mpandeha. «Gel désinfectant» miisa 12 500 avy amin’ny Unicef ny ezahina hotsinjaraina ho an’ireo fiara fitateram-bahoaka. 4 500 ho an’ireo fiarakaretsaka ary 7 000 kosa ho an’ireo taxi-be. 80 isan’andro eo ho eo ny fiarakaretsaka tonga manao famendrahana ranom-panafody eny Antsonjombe ary efa misy ny «carnet» fanamarihana fa vita famendrahana ara-dalàna ny fiara iray.

Ho fitsinjovana ny ain’ireo vahoaka, manohy sy manamafy hatrany ny hetsika fanaraha-maso ireo fiara fitateram-bahoaka sy fiarakaretsaka ny CUA eny amin’ireo toeram-piantsonana maro samihafa eto an-dReni­vohitra. Hentitra ny fiadidiana ny Tanànan’Antana­narivo amin’ireo mpitatitra mbola minia tsy manara-dalàna toy ireo mpitondra entana any anaty fiara fitateram-bahoaka, ny fitondrana mpandeha tsy manao arovava orona, ny tsy fampiasana “gel disinfectant” na “solution hydroalcoolique”, ny tsy famendrahana fanafody ny fiara fitaterana,… Enta­nina, araka izany, ireo mpitatitra rehetra eto an-dRenivo­hitra hanaja hatrany ny lamina napetraky ny CUA hialana amin’ny gaboraraka.

Les commentaires sont fermées.