Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Ny ady ahina, tsy mahatratra…

Ny ady ahina, tsy mahatratra…

Ady tsy ahi-mahatratra izao firongatry ny valanaretina Covid-19 izao? Talohaloha teo, velona ny fiarahaban-tena fa resy tosika ny fahavalo; eny, na tsy mbola fongana tanteraka aza. Izao, mipongatra sy mifongatra tampoka… Nahoana? Efa nampoizina fa mila mahay miaina amin’ny aretina ny tena, raha mbola tsy fongatra tanteraka izany: tsy hita maso, tsy mifidy olona. Tsy vitan’izay, mbola maro ny lafin-javatra tsy fantatra be ihany momba an’io valanaretina io: ny fisehony, ny fivoarany…

Eny, na ny karazany aza: mbola sarotra faritana sy tanisaina. Endrika iray ity hoe avy atsy Afrika Atsimo. Ahoana ny hafa? Dieny izao, mila miambina sy mitandrina ny tena: ny ady tsy ahi-mahatratra. Mafy sy sarotra izao fiatrehana ny fihanaky ny valanaretina andiany faharoa izao. Tsy misy mandà izany amin’ny maso miara-mahita sy sofina miara-mandre izay iainana isan’andro. Tsy fantatra koa izay havoakan’ny ampitso. Toy izay nahatongavana amin’izao andiany faharoa izao… tsy nampoizina omaly.

Tsy misy afa-tsy ny miaro tena? Tsy mampaninona ny mamerimberina izany, tsy mandreraka, tsy mankaleo. Ny amisavisana ny ratsy, hiavian’ny soa. Sao ratsy lavitra no ho izay misy sy iainana amin’izao ny havoakan’ny ampitso. Tahaka ny tsy niheverana izao andiany faharoa izao: mahery vaika, haingana be ny fifindrany. Koa na ny loza efa mby an-koditra na ny mbola tsy fantatra, tsy misy toy hoe aza voany ihany aloha no fanefitra azo antoka: fanafody mahomby; eny, na eo aza, ohatra, ny vaksiny.

Tsy fantatra izay havoakan’ny ampitso? Mahatratra ny ady tsy ahina. Aleo tsinjovina mialoha izay mety hitranga. Mby ao an-tsaina ny faniriana tsy hiverina amin’ny fihibohana. Loza iray, loza roa: ny aretina, mamely; ny fitadiavana, manahirana. Miankina amin’ny ataon’ny tsirairay ihany izay. Tsy misy fahagagana amin’ny fiavian’ny loza na ny fisorohana izany tsy hihanaka tampoka sy haingana be amin’izao. Ny ady ahin-tsy mahatratra, rehefa tena malina sy mitandrina mandrakariva ny tena? Aleo hery…

Ralaly Nd.

Les commentaires sont fermées.