Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: Manomboka midina ny mari-pana, mihamiakatra ny isan’ny marary

Vita hatreo indray aloha iny ny resaka Barea. Tapaka hatreo ny lalana mankany amin’ny Fiadiana ny amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra ho antsika Malagasy. Amin’ny manaraka indray manarina. Mbola eo koa ny fifanitsanana amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany saingy mbola mila ezaka be izany. Ny tokonana aloha hatreto tsy mbola afaka ka tsy afaka hananika rindrina. Mbola misy hisainana sy hakana lesona ny zava-bita hatreto. Betsaka ny vita fa ny miandry koa mbola maro lavitra noho izany.

Miverina miatrika ny fiainana andavanandro sy ny rotorotony ary ny valanaretina Covid-19 indray isika. Izy moa teo foana hatramin’ny nidirany fa mba takotakona kelin’ny Barea izy faramparany teo. Izao indray dia asehony fa toy ny zavatra mandalo sy ravindravina atentina fotsiny ny zava-drehetra fa mbola izy aloha no tompon’ny laka.

Saika ho isan’andro no ahenoana na ahitana amin’ny haino aman-jery, fahitalavitra, tambajotra sosialy ny fahafatesan’ny  fianakaviana, namana sy ny sisa noho ny hetraketrak’ity areti-mandoza ity. Maty koa hono Rabe, lasa koa hono Rakoto. Vao mandre filazana manjo ianao dia alaim-panahy avy hatrany hihevitra fa matin’ny Coronavirus izay. Na matin’ny aretina hafa aza dia efa saika tsy maka lavitra intsony ny tsirairay fa dia efa Corona avy hatrany no mby ao an-tsaina. Tsy mbola nisy toy ity hatrizay nanaovana, hoy ilay mpamosavy tratra andro. Mampihoron-koditra sy mampivarahontsana ny zava-misy.

Ny mahagaga anefa dia mbola betsaka ihany ireo tsy mety tonga saina. Heverin’ny sasany fa aretin’ny mpanambola ity aretina ity ka na tsy manaja ireo fepetra ara-pahasalamana aza tsy maninona. Tsy hita masony fahavalo nefa tsy taitra ny sasany. Tsy iray tsy roa fa saika ahitana toy izany ny tanana rehetra. Rehefa ho avy anefa ny tsy mety dia mailaka ery izy ireny ny hanilika ny rihitra any amin’ny hafa.

Aleo maty rahampitso toy izay maty androany. Aleo manosoka omby tondro toy izay manosoka omby loha. Dieny mbola misy azo atao dia aleo misoroka fa aina ity hoy Rainimanonja. Tsy misy resaka “Poisson d’avril” izany.

 

Mparany       

Les commentaires sont fermées.