Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
Préc Suiv

Fiba “E-sport Open III”: handray anjara i Madagasikara

Zava-baovao ho an’ny taranja basikety malagasy! Handray anjara amin’ilay fifaninanana karakarain’ny Fiba “E-Sport Open III Africa” i Madagasikara. Fifaninanana hotontosaina ny volana avrily sy mey ho avy izao. Araka izany, misokatra ny fisoratana anarana sy ny fanaterana antontan-taratasy ho an’ny mpilalao malagasy liana amin’ity fifaninanana ity. Misy ny sivana tsy maintsy ka tokony hanaraka ireo fepetra apetraka izay maniry hifaninana, raha ny fanazavan’ny federasiona. Tokony hihoatra ny 16 taona ny mpandray anjara, manana zom-pirenena malagasy, mila manana ihany koa ny “mycareer character” tsy maintsy mihoatra ny “95 rating overall”. Ankoatra izay, tokony hahafehy ny fiteny anglisy ny mpilalao ary manana PSN ID sy efa nahavita fisoratana anarana tao amin’ny PS Plus. “Manana hatramin’ny 20 marsa izao ireo mpilalao malagasy handray anjara, ahafahana manatanteraka izay fisoratana anarana izay”, hoy hatrany ny FMBB, ka anentanany izay rehetra liana ny amin’izany fifaninanana, sambany handraisan’i Madagasikara anjara, izany.

 

Mi.Raz

Les commentaires sont fermées.